Raha ny «Ohabolan’ny Ntaolo», nangonina sy nalahatr’i W.E. Cousins sy J. Parrett : 1.477 ireo natonta ny taona 1871, ary nahatratra 3.818 (sa 3.790 araka ny fanisan’i J.A. Houlder ?) rehefa namoaka boky indray tamin’ny 1885.

Nanomboka ny taona 1894 ka hatramin’ny 1900 kosa, ny Rev. J.A. Houlder, no nizara tsikelikely ny ohabolana voaangony : 945 no isan’ireo voatanisa tao amin’ny «Antananarivo Annual». Taty aoriana, rehefa natambatra ho boky ka natonta nifanesisesy (taona 1915-1916, 1930, 1957), dia miisa 2.277 ireo vita dika-teny vahiny raha 2.318 no tontaliny. 

Maro dia maro amin’ireo ohabolana ireo no manao fanoharana amin’ny biby. Fatra-pandinika azy ireo tokoa ny Ntaolo ka ny toetra amam-panaon’ny biby dia nalainy sary ho anatra. Tsy tena ilay antsoina hoe «anthropomorphisme», satria tsy nanao-ho-olona ireo biby ny Ntaolo - nampindrana azy ny fisainantsika, nampiteny azy ny fambarantsika, nampanara-kefa azy ny fanaontsika - fa toa hoe aza ny fihetsika sasany fanaon’ny biby no nataony fitaratra handinihan-draolombelona tena.

Ny olombelona toy ny amalona an-drano ka be siasia

Ny olombelona toy ny omby : indray mandry fa tsy indray mifoha

Ny olombelona toy ny tsingala sy ny dinta ka saro-mifanaikitra

Ny olona marina toy ny ombilahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay

Tranon-takatra nidiram-borondolo ka simban’olon-dratsy ny olon-tsy vanona

Hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra : «Matin-java-kely toy ny omby nisotro tsingala», «Mandrohy moka, mamatotra aloy», «Matin-kanin-kely toa amalona», «Lambolahy mitsako moka», «Biby tsy mihoatra ny mamba»...

Tsingala, tsikovoka, tsindrahaka, hao, parasy, kankana, dinta, lalitra, moka, angamenavava, sifotra, patsa, foza, bibilava, sahona, saobakaka, androngo, tana, sitry, valala, vitsika, voantay, lolo, jorery, angely, angidina, voangory, voangaly, famakiloha, totozy, voalavo, sokina, trandraka, kary, amboa, ondry, osy, kisoa, omby, akoho, akanga, amalona, toho, vivy, fody, tsikirity, sorohitra, vorondolo, takatra, voromanga, boloky, toloho, papango, hitsikitsika, voromahery, goaika, lambo, mamba, voay...

Ny biby fiompy dia vatrany narahi-maso mihitsy raha tsy izany tsy nahaloa-bolana azy : 

Aza manao lainga marivo tototra, ka hehezin’ny akoho tokan’anaka

Aza tomany homana toy ny akohokely

Tsy misy mahay mandeha toy ny akoho, fa raha mandeha amin’ny sahafa solafaka

Marain-tsy lasan-davitra hoatra ny akoho

Akoholahy manakohokoho vavy : tsy hanin-kahavoky fa volan-kifanajana

Hatramin’ny bibidia, nahavitana sarin-teny mahafinaritra : 

Lambo soso-nify ka nentim-paharazana

Volan-kankafotra ka ny feo omaly tsy miova

Akanjon-goaika ka vita fony kely

Na samy biby aza, na samy olona ihany koa, mety hitovitovy fa tsy tena sahala : 

Papango amam-borona : iray toerana fa samy hafa faniry

Totozy sy voalavo : iray volo fa tsy iray raharaha

Tsiboboka sy toho : rano no iraisana fa ny tarehy samy hafa

Mamba sy voay no miady : tsy salaka ho tapaka, tsy lamba ho rovitra.