Rariny kosa, raha tambin’ny zo sy fampanantenana, mba misy andraikitra takiana. Ankoatra ny maha lalàna velona ny hoe «Fikoloam-pahasalamana» sy «Fitandroam-pahasalamana», dia fepetra fototra maha-olombelona (mba tsy hanao voretram-biby), ianarana fony kely ary lalaina mandra-pahafaty. Fandaminam-piaraha-monina, na eto manokana na hatraiza na hatraiza. Saingy. Vao ny antsasak’izay voasoratra eto ambany, dia efa mety hisy hilaza indray fa «jadona» na «mila voatsiary».
Ankoatra ny hoe «nahazoana alalana ny fanorenana» dia tsiahivina fa andraikitr’izay mpampiasa ny «fahadiovan’ny trano fonenany sy ireo miankina aminy ary ny lalana manoloana azy». Izany moa ve dia mbola tokony ho ampianarina ihany, saingy iaraha-mahalala ny zava-misy dia ny fahasimban’ny toe-tsaina ary ny tsy fisian’ny fitaizana ho tsara sy ny fanabeazana hadio.
Efa voalaza ary fa «Ny trano fonenana na trano ampiasain’ny besinimaro dia tsy maintsy manana toerampivoahana. Ireo trano fivoahana ivelan’ny trano fonenana dia tsy azo atao latsaky ny 3 metatra miala ny sisindalambahoaka na ny faritry ny tanàna mifanila».
Efa voasoratra ihany koa fa «Raràna ankitsirano ny fampiasana gabone lavaka mandrapahafenony tanteraka. Raha toa ka mety hiteraka fitarainana marimpototra ny trano fivoahana, na amin’ny lafiny fahadiovana na amin’ny lafiny fofona, dia mandray ny fepetra rehetra ilaina ny biraon’ny fikoloampahasalamana».
Impiry moa no tsy nilazana fa «Raràna ny manipy eny amin’ny lalambahoaka sy ireo miankina aminy toy : ny sisindalana, ny lakandrano ary ny fantsona fanarian-drano maloto, ireo rano tsy ara-pahasalamana, fako, fotaka, fako avy any antokantrano, diky, fakon-dakozia ary ireo zavatra hafa rehetra mety hiteraka fanimbana, na hisakana ny fikorianan’ny ranonorana, na hanelingelina».
Toraka izany koa : «Voarara tanteraka ny manipy rano maloto avy eny ambaravarankely na ny manary izany amin’ny lalambahoaka.Voarara ihany koa ny manipy anaty lakandrano, renirano, farihy na ny mametraka amin’ny sisiny ireo fako, potipoti-javatra isan-karazany, indrindra ny diky sy ny rano misy menaka».
Hafatra na ho an’ny mpivarotra na ho an’ny mpividy : «Ny varotra hanimasaka sy sakafo fihinana dia tokony anaty vatafitaratra mihidy tsara izay tsy tafiditry ny bibikely na ny vovoka.Tsy maintsy ampiasana fonon-tanana, na raha tsy misy dia fitaovana voatokana handraisana, ireo sakafo amidy. Tokony manana rano, na tahirin-drano fisotro madio avokoa ny fivarotana hanimasaka rehetra». Ny varotra rehetra dia tsy maintsy ambony akalana miala fitopolo santimetatra (70 sm) amin’ny tany.
Voarara ny fampiasana kitay amin’ny varotra hanimasaka. Ny mpivarotra tsirairay dia tsy maintsy mandray fepetra mba hahatonga ny fatana ampiasana etona fandrehatra na afon’arina tsy hanelingelina ny fivezivezen’ny mpandeha an-tongotra. Tokony hamboariny ny toerana mba hahazoany mampiasa fatana mandeha amin’ny etona fandrehatra na arina. Ny toerana nomena ireo mpivarotra hanimasaka dia tsy maintsy sasany sy dioviny alohan’ny hikatonany.
Hatreto aloha ilay Amoron’ankona mbola azo lazaina hoe madiodio sy milamindamina. Fa avelao ho bataina afindra eny ny fomba sy fanao naha mahatsiravina, na loto na korontana, ny eny amin’ny lazaina hoe «Fasan’ny Karana», dia ho zary nofy sy fahatsiarovana sisa ny Amoron’ankona ankehitriny.
Asa, maninona loatra, eto amintsika, izay tobi-piantsonan’ny mpitatitra no sanatria toa voaozona hikorontana sy haloto. Asa, sary tahaka ny ahoana no omen’i Madagasikara ireo «mpizaha-tany iray tapitrisa» izay mbola misy revo amin’ny hoe «taxi-brousse», ka rehefa tsy «Premium» na «VIP» dia efa raharaha tadiavina. Misy ihany koa anefa ireo Malagasy tsy manan-tsafidy, miatsinanana-miankandrefana, mianavaratra-mianatsimo, mpampiasa ny «taxi-brousse» isan’andro. Asa, sary tahaka ny ahoana no fiheverany ny tenany sy omeny hitaizana ireo zanany, raha toerana «valalan’amboa ka ny tompony aza tsy tia» no omena hiriariavany marain-tsy hariva.
