Ity fanambarana nialohavana fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity, no isan’ny fandraisan’andraikitra niarahako voalohany tamin’i Hery Ramambasoa, izay vao nandao antsika, sy ireo rehetra voatonona anarana, tsy iza fa ireo «mpanorina ny fikambanana Andohalo : Andriamanantena Georges (Rado), Ramambasoa Hery, Andrianarimanana Mboara, Rabemananoro Erick, Rabearison Roland (Vahombey), Andriamihaja Nasolo Valiavo (VANF)».

Telo amby roapolo taona aty aoriana, telo mirahalahy sisa izahay no afaka mifanontany raha mba tafita ihany ny hafatra. Toy izao ilay fanambaràna tamin’izany andro izany : 

Feno valo taona ny 6 novambra 2003 izao no nandoroan’ny olon-tsy fantatra an’Anatirova. Toe-javatra mangidy indrindra tamin’ny Malagasy izany satria ny mariky ny maha-firenena no niniana nopotehina. Ankehitriny, tsy mbola tafarina ny Rova ary tsy afaka mirehareha amin’ny maha-izy azy ny Malagasy. Tsy misy rafitra afaka manondro na manafay ireo nampandoro sy ireo nanodinkodina ny vola hanamboarana ny Rova. Tsy voafehy ny asa fanarenana goavana toy izany, matoa izao iaraha-mahita izao aloha ny fanamboarana vita.

Noho ireo antony ireo, dia ahiana mbola hitohy ny fahapotehan’ny maha-Malagasy. Betsaka ny vakoka rava na aondran’ny sasany any ivelany. Ny fombafomba vahiny no mahasodoka, indrindra ny ankizy sy tanora, fa tsy ny zavatra Malagasy. Mba tsy hahatongavana amin’ny famoizam-po hoe: «Malagasy aho, nefa tsy fantatro intsony izay maha-Malagasy ahy» dia nangataka izahay mba «hisy tatitra mazava, ara-dalàna sy ara-potoana mikasika izay asa rehetra atao ao Anatirova» ; mba «hatao mazava ny fitantanana sy izay mety ho fanavaozana mba tsy hisian’ny fanafintohinana» ; mba «hamerimberenana fa izay mahalala sy manazary ny maha-izy azy ihany no hitondra fampandrosoana mahomby».

Toy ny fanao isan-taona, dia nisy ny fotoana « fahanginana » ny Alakamisy 6 novambra 2003, teo amin’ny zaridainan’Andohalo, ka niantsoina izay rehetra niombon-kevitra ka marobe no nanoina ny antso.

Rehefa nigadona ny 6 novambra 2006 dia nanao fanambaràna hafa indray ny Fikambanana Andohalo : «Folo taona isika no nifanotrona teo amin’ny kianjan’Andohalo tao anatin’ny «Tabataban’ny fahanginana». Tamin’ny taon-dasa (2005) dia nanome toky ny Filoham-pirenena fa hiroso amin’ny asa fanarenana ny Rovan’Antananarivo. Ankehitriny ary dia efa amperinasa tokoa ao amin’ny lapa Manjakamiadana ao. Ny 6 novambra 2005 dia nambaran’ny mpikambana «Andohalo» fa ho afindra amin’ny fiarovana ny Tantara, ny Tao-trano gasy, ny Tenin-drazana ary ny Kolon-tsaina amin’ny ankapobe ny finiavana, ka natomboka ny 26 jiona 2006, tamin’ilay fampisehoana «Omaly mibaby ampitso » niarahana tamin’ny Tanànan’Antananarivo.

Roapolo taona aty aorian’ilay fanambaràna farany, nody ventiny ve ny rano nantsakaina ? Mijery ny manodidina : mainka niha-maro ireo tsangambaton’ny Tantara no voazimba ; very endrika isan’andro ireo Trano Gasy ; isaky ny iray volan’ny tenim-pirenena vao mba tsaroana ilay hoe «Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa feheziko» ; mbola ambinambin-javatra ny Kolontsaina. 

Fao-dranomaso tokoa ho an’ny velona mitomany mandavantaona, mitsetsetra anakampo, tsy hahay hionona velively anefa, toa voaozona hitady (indray) ny very. Dia tsy inona, fa arak’ireo resaka mihantona hatreo : trano (gasy), boky (tantara), etsetra.